You are here: home > Vetso

Tiako ianao - aladin

TIAKO IANAO


N... , a !   tiako ianao,

tsy  mba fitia an-tendro molotra
fa faniriana am-poko ao
ny hiara dalana aminao .
indro aho manontany  tena
harena ve no  omena
tsy  ho  porofo akory  izany
satria ho  foana sy  handalo ihany
toky  teny tsara lahatra
toa ho mora lefy sy hitsahatra
Ny  sarobidy  indrindra angamba
omeko anao  tsy  mihambahamba
"ity ny foko  hanjakao ,
honeno f'efa babonao!."

ny tambitamby  teny mamy
ho hanitra mamerovero
ilay paradisa ho anao ihany
ka saino kely  sy hevero.
ilay tsikiko aminao,
no masoandro  tsy mandao
dia safosafo  sy horokoroka
handravaka eny rehetra eny
ka ilay toerana hoforoniko
dia tena ho paradisa kely.
Ny fitiavako  madio
fanalahidy  idirana ao
koloy tsara sy kajio
"ilay sarobidiko" ho anao  

Ny  anjara   ( Aout 2004)

Hevitra mandeha

bichette (18/08/2004 11:27:05)

manantena aho fa ny olona rehetra tia dia hiaina izany

Hametraka hevitra

Midira aloha