Tiavo izy (cedric tolojanahary)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiavo izy

-Tiavo izy,dieny mbola velon'aina
-fa aza avela hitomany,aza avela hitaraina
-aza avelo hisento lava
-ka ho kotsan-dranomaso,isan'andro 'zato tava
-aza avela hitomany
-fa mbola hanenenanao io 'ndray andro any
-aza andrasana ho tapitra ny ainy
-izay ianao vao hahatsapa,ilay fitia nindraindrainy
-Ka ho neninao ny lasa
-ho tadidinao 'reo vita,sy izay mbola ho kinasa
-amin'izay ianao hitomany,nefa izy efa lasana
-ho tsaroanao ireo fitiavany,hatreo ambaravaram-pasana...

Cedric tolojanahary
31/05/19
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1288 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014