You are here: home > Vetso

"ASA..." - al'fy

Azo vakiana?

Asa raha tsapanao ry poeta nolalaiko
Fa misy tontolo iray, hiraisantsika roa
Misy teny maminao, miraikitra ao an_tsaiko
Misy antsa_kalonao, novoleko tao am_po!

Asa raha tsinjonao ny alina hanofisako
Ka nanantonanao ahy, ry hiraky ny ventso
Ireo ringi_kantonao toy ny paradisako
Ireny onja_kiranao, ny foko no misento!

Asa aloha e! fa saina tsy mitovy isika
Tsy miray tontolo raha eto an_tany!
...raha mamanala aho, ianao no mangatsika
Porofon'ny tontolo, iraisana any ho any!

Sokajy : Aingam-panahy

Hametraka hevitra

Midira aloha