Fara vavaka (al'fy)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ray ô! henoy
fa fara-vavaka izy ity!

Izay niriako, nangatahiko
Izay nitolomako rehetra
Farany ho rombahiko
Ataoko an-kerisetra
Rehefa tsy omena!

Ny volana nandraiko
Finoana notiaviko
Fahendrena nolalaiko
Fahalalana notadiaviko
Angaha fitiavan-tena ?

Dia rombahiko ho ahy
ny poizina mahery
hamonoako ity fanahy
tsy notopazana fijery
tsy notolorana fitia !

Ka manomboka izao
tsy misy intsony fivavahako
ny làlana natao
mainka aza ho lavahako
fara-vavaka izy ity...!
--------
Rohy:
Sokajy : Malalaka
680 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146