izao angamba no fotoana f (al'fy)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
izao angamba no fotoana farany
ahafahana mirotsy ny andro nolalovana
ny tangoron-tsento, izay mety hararany
tondra-dranon' hirifiry, porofom-pahalovana
niainana hatrizay.

asaina ho avy eto aloha ny lasa
hanati-dranomaso am'zato fandehanako
ampandalovana eto ny zava-nokinasa
hany dindo sarobidy ho an'reo taranako
sisa mba tsy may...!

izao angamba no ora aro-tsiro
andaozan'ny fanahy ity lakana nindraminy
efa valaka ny nofo, eny maty jiro
sasa-miandry azy ny vovoky ny taniny
akora nanambarana!

asandratra eto ho hany fiarahabana
ny fanaovam-beloman' izao tontolo izao
eto, hamiratra ho hazavana
ny dimbin'ny lasa vita ka nahalao...
ho feno fahasambarana!
--------
Rohy:
Sokajy : Fahantrana
809 0
Hevitra mandeha
raims randriamalala ( 03/06/2019 12:34)
tangorin-tsento
hery ( 03/06/2019 20:56)
Tsy misy tsipi-panohizana "-" angaha ny vatanditeran'i al'fy ? :-)
ikalamako ( 05/06/2019 09:46)
maro mihitsy ny tsy manana tsipi-panohizana ato fa tsy i Al'Fy irery
:P
al'fy ( 21/08/2019 05:20)
misaotra tamin'ny fanitsiana! ao fa ezahana ny hanao ny tsara kokoa e! mankasitraka
ikalamako ( 21/08/2019 18:01)
gravy koa fa nandalo nisaotra i Al'fy fa tsy nanitsy akory an...... tsssss
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144