Etoana aho malala mitoetr (Aloky Ny Lasa)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Etoana aho malala
mitoetra eto amin'ilay toerana iny
ilay mifono nu fahiny
fony isika niaraka...
Teto no napiaraka,
teto ihany koa isika ilay nivoady
niloka ho doria,
nilaaa ho samy tia,
nefa...
Aiza ankehitriny ireny rediredy,
Irenu toky maro niaraha-nanome?
Sisa ka tsiaro e!
Embona no sisa ireny lasa nifangaro,
Akory sanatria hoe namoha ny efa mandry fa...
Fotsiny aho nadalo ahafahako mamina ny ratsy vitanao mba
ho monja vetivety dia ho voafafa an-tsaiko ny anaranao.

ALOKY NY LASA
--------
Rohy:
Sokajy : fanantenana - embona - Alahelo
951 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Aloky Ny Lasa
Nampiditra : 9248
Daty : 17/06/2017 18:00
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104