Indray andro izay (A.Mcko Jasmine)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indray andro izay tamin'iny lalana iny
No mba nahitako anao toa vehivavy tsisy tsiny

Asa aloha na tia aho na koa jambena
Fa ny fahitako anao dia tena nahonena

Nilaza ianao tamin'izay fa
Mahasosotra ny fiainana
Tsisy ho antenaina ka
Mahatonga fitarainana

Dia indro aho fa tonga nampitraka anao
Niezaka hatrany mba hitondra fiadanana
Fotona fohy taty aoriana
Rehefa tsapanao fa nisy fahasambarana
Dia niova toa izany koa na ny fo na ny sainao
Ka nanjary nisy sampana ilay lalàna

Tsy omeko tsiny anefa ianao satria ilay fitia izay nomeko
Tsy midika akory hoe ianao dia ho fefeko

Ny hany hafatro aminao
Dia mba tsarovy ihany ilay olona iray
Izay tena tia anao
Ka nanjary nangahiahy
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1752 1
Mpakafy: jass
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : A.Mcko Jasmine
Nampiditra : jass
Daty : 21/08/2006 08:27
Antsantononkalo
Nantsain'i
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0133