Dada (AMN (Arialy))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
iza moa no mba raiko
ampio aho re fa ilaiko
fa mba te ahita azy
fa tsy hoe hamazivazy

i neny mantsy tsy nilaza
fa oe izy tsy sahaza
fa nanary ny adidy
ka hajaina ny safidy

ny maso anefa te ahita
na tsy nisy zava-bita
ny fo koa mba te hitady
ka handeha hanadihady

taona roa taty aoriana
aho nahita olon-tiana
hoy izay nahita anay
mitovy toy ny mpianadahy

vakavaka aho nanontany
sy nangataka ny sary
naneho azy an'i neny
hankina izy tsy niteny

“io ilay izy”,ny filazany
sady maloka ny tavany
nifampijery izahay
ka namaly aho oe “hay”

hitako ihany ilay raiko
na namizana ny saiko
ny fomba nifankahalalana
satria ilay fitia dia noravana

sarotra ny hiantso dada
ka hany aho nibadabada
nanonona ny anarany
sy nilaza ny tantarany

misy iany ny fitiavana
satria i dada dia havana
na tsy oe dia tena tiana
fa mba misy fifaliana .


AMN (Arialy)
--------
Rohy:
Sokajy : tantara - fiainana
1541 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AMN (Arialy)
Nampiditra : arialy
Daty : 12/03/2010 12:30
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139