Zaza maditra (AMN (Arialy))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izy no zaza tsy hay tenenina, sady koa tsy iriana
ilay tsy hay lazaina koa, fa ny nataony tsy iniana
ny zavatra mitranga rehetra, tsy hadisoany mihitsy
ka hoe diso izay milaza fa izy foana no ahitsy

ny fianarana tsy tiana, ny lalao no ao an-doha
nefa milaza fa hoe raitra, raha ny tiany, ho filoha
izany moa dia midika fa izy no te ho ambony
ka hoe olona tafita, tsy ho tenenina intsony

nefa vao erotrerony, eny mbola zaza kely
tonga dia mamalivaly ka mihevitra ho modely
ny enti-mody sy ny lesona anefa dia adinoina
ny mpampianatra an-tsekoly no melohina sy esoina

zaza mahita atao, hoe mitady vola sy etsetra
mandeha mimamo sy mifoka, fa hoe mila trai-kefa
naman-dratsy no atao, mandeha mitady ny ilaina
nefa ny tena mbola zaza, ka tsy dia mampiasa saina

indray andro, tao an-trano, indro tonga ny "polisy"
ilay Reny no mba tao, tsy misy ambara, e indrisy
fa ilay zanaka ao an-trano, efa nanao ny hadalana
fa rongony no lazainy hoe mitondra vola, nigagana

tsy hita aloha i koto, efa herinandro vitsivitsy
ilay Reny, izay mijaly koa tsy mahalala izay misy
fa izy raha hiverina eo, tsy hamboraka ny marina
izay mihitsy no hoe loza, mbola ho ela vao tafarina

volana telo avy eo, io ary i koto fa nimpoitra
nefa i Neny na dia tezitra, tsy mba afaka hihoitra
fa ilay zanaka izay tiana, na dia hoe eo ny hadalana
dia tsy ho afaka ho saziana, hampitombo fahalalana

toy izany foana no mitranga, tsy miova ilay toetra
i koto moa sahy milaza fa hoe ambonin' ny rehetra
satria izy mahay mitady, ilay hoe vola, izay mandresy
izay ny fahorian' ny Reny, izay mahazo donto fetsy


AMN (Arialy)
--------
Rohy:
Sokajy : tantara - fiainana
1737 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AMN (Arialy)
Nampiditra : arialy
Daty : 25/02/2011 15:45
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098