EZAKO (AMN (Arialy))

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vao napetrany ilay antso, halalino kely anie
hoe hisaraka hono izy, ny filazan-dramose
fa tsy faly ilay havany, ka hisao-bady izy
tonga fofona, avo vava, tsy mihevitra ny ankizy

tsy mba haiko izay voalaza, toa gaga lahy aho
tsy ilainy koa hiteny, raikitra ny zahozaho
izay baoritra mangina, izy ireo manko an'asa
tsy misy vidiny, hafitra, toy ny lamba ratsy sasa

ilay mampiady mody gina, efa izany foana manko
izy hono malahelo, ka hitady hevitra hampiato
ka mananatra ny zandry, handaminana ny ady
dia milaza ho toho-teny satria hono anabavy

tsy ho zaka kosa ity, hatsarana toa ivelany
nolazaiko ny lehibe, izao angaha no hoe lerany
satria tsy voalohany, ity tranga izay lazaiko
fanintelony izao, ny hefarana tsy haiko

nitady hevitra aho teo, efa feno ny kapoaka
efa ela niharetana ka naleoko dia niloaka
andeha mbola hiala nenina, na dia efa tena lao
satria ny zanako hijaly, raha hisaraka aho izao

vitany hono ireo zaza, izay no efa nolazainy
izay hoe any an-tsaiko, nefa toa tsy mba hainy
raha izaho no voaroaka, ireo zaza tsy hajanoko
fa dia hanaraka ahy, hentiko any an-tokatranoko

efa tapitra ny ezako, zovy no hanery ahy?
aleo hilamina ny saiko, ati-foko sy fanahy
raha hitroatra eo ny loha, izy manko efa leo
tsy te haheno ny hoe "tapitra"sy kotaban'ilay feo.

ny tsy harako anie, ho avy indray ilay teny
ireo latsa samihafa, mafy toy ny ompa reny
rehefa iny fa tsy faly ilay voalazako etsy ambony
satria hono hava-manana sady hieren'ny fony

tsy hanankana azy hitia, raha aho no hoe fay
izy irery no mankany, ny amiko aloha tsy hay
mbola vesatry ny teny no mibahana ato am-poko
sao hitroatra mafy koa ka hamoaka tenim-boto

aoka hilamin-drery aho, aza asiana hoe kafara
sao tsy ho zakan-tsika ny ho tohin'ny ao afara
ezaka no aoka hatao, hampiorin-tokantrano
aleo adaboko ny hafa, sao ahitako angano.

AMN (Arialy)
--------
Rohy:
1546 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AMN (Arialy)
Nampiditra : arialy
Daty : 08/07/2014 07:25
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0113