Fotoana nolalovina (AMN (Arialy))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay mosoara izay nomeny hamafanao ranomaso
aza ariana sy lazaina fa mpitondra ny ankaso
ataovy ho tsiaro ilay fotoana, izay nolalovina
aza averina any intsony, ka ataovy fahatsiarovana

Ihomehezo aoriana fa fotoana ny hadalana
fotoana izay natao hanovozam-pahalalana
fotoana tiana hidifirana nefa koa nahafinaritra
fotoana sady nampihome na dia nahitana aritra

ireny fotoana ireny manko tsy natao hoe hijanona
fa noho ireny hiany koa no naha olom-banona
fa nahitana halavoana sy ireo tomany kely
fotoana ny hoe trai-kefa sy fianarana ireny.

Teny resaka fitia, teny heno, teny fitaka
nefa tsy nahalala fa dia nihaino sy namitsaka
na ny lahy na ny vavy samy revo sy natoky
tsy nisaina akory hoe nisy ny fitia soloky

fa toro, lavo sy taraiky fa mamiratra fitia
tsy azo notoroina hevitra fa hoe tena nankafy
andro, volana ary taona, aty aoriana no mahita
satria tokoa efa lasa ka dia tantara no hany sisa...

na dia misy ny alahelo, ihomehezana ny lasa
tsy natao handratsy saina, na dia sarotra ny rasa
voafingana, nitsangana, efa misaina izay atao
fotoana nolalovina, eny azo atao hoe kilalao.


AMN (Arialy)
--------
Rohy:
Sokajy : tantara - Fitiavana
1241 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AMN (Arialy)
Nampiditra : arialy
Daty : 13/07/2011 09:17
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105