Ilay fitiavan-tsika (AMN (Arialy))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
na ny kintana mamiratra tsy hisy toa anao
na ny volana baliaka ho laviko tsotra izao
ilay fitiavana ao am-poko, tsy afaka hiofo
satria efa hoe ianao no efa lasa anaty nofo

raha takalo sy ny varotra, eny tsy mba hisy izany
ny fitiavako maharitra, na an-danitra, an-tany
fa ianao no fiainako, izay tiako, sarobidy
ka tsy hisy hoe hasoloko, fa harena nofinidy


fa na hoe doboka aponga, sy feo mikarantsana
raha alefa any aponja, na alatsaka anaty hantsana
tsy hanova ireo voalazako, sy izay mbola hoavy
izay voaten'ity vavako fa ho tia anao hatrany

misy ireo fotoan-tsarotra nolalovako izay mafy
maro ny andro izay tsy mora , nahatonga ahy hiafy
na tsy avy taminao, fa ireo izay manodidina
niezahako mba hadino, nodifiako, nasiako sidina

mbola ela vao ho vita, ity lalan-tsika roa
tsy misy mahalala anefa ilay voa raha hatoa
ka ahitsy ilay lalàna, sy hitohy ho mandra-maty
ka tsy ahoan-tsika roa ny fankahalan'ny olon-dratsy

ny teny ho lazaiko farany, dia isika hifampitantana
ka tsy hisaraka oviana ireo famatoran-dratsana
fa ny Tompo ao ambony no hitahy ny dian-tsika
mba haharitra hafanana, tsy hahita izay hatsiaka .


AMN (Arialy)
--------
Rohy:
2004 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AMN (Arialy)
Nampiditra : arialy
Daty : 14/05/2013 11:59
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0158