Izy irery (AMN (Arialy))

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izy irery manko ka odiana tsy hita
izy irery manko ka lazaina rano ritra
izy irery manko hoe lasa kilalao
izy irery manko ka atao an-kilabao

izy irery manko no miady mafy
izy irery manko no n miaina lany vatsy
izy irery manko tsy jerena raha ory
izy irery manko no indrisy tsy matory

izy irery manko no ahilika fa tokana
izy irery manko no lazaina fa ho olana
izy irery manko no tsy misy izay harena
izy irery manko no hoe lavina tsy ekena

izy irery manko ilay zaza tsy niriana
izy irery manko ilay niherem-pifaliana
izy irery manko no tsy tamin-dray sy reny
izy irery manko no tsy nohenoina raha niteny

izy irery manko no izao efa antitra
izy irery manko no lazaina fa tsy matotra
izy irery manko raha ho lasa tsy halelovana
izy irery manko ilay tsy mila hoe harovana

izy irery izao raha handeha dia ho faly
izy irery koa no tsy haheno ireo jaly
izy irery moa no nahatsapa fa tsy tiana
sady izy irery koa no tsy nilaina sy nariana

AMN (Arialy)
--------
Rohy:
Sokajy : tantara - Alahelo - fiainana
1694 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AMN (Arialy)
Nampiditra : arialy
Daty : 12/07/2013 11:00
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101