serasera karajia (AMN (Arialy))

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
serasera karajia

isaky ny mamoha ilay solosaina ny maraina
dia mijery , inona aza ny tonga ao an-tsaina?
Ny hitafa sy hiresadresaka amin'ny namana
na dia lavitra aza moa dia tsy misy sakana

mihomehy, mitafa, hanihany sady faly
marina fa misy ny resaka tsy dia zarirary
fa nataontsika ho fanalana andro iany
refa reraky ny asa, sorisory tany hoany

misy koa anefa eo no mahita ilay fitia
manao fotoana eo , hany ka tafara-dia
misy amin'ireo no tena lasa lavitra mihitsy
ao koa ny milalao, tsy mijery ny tandrify

misy koa ny mandeha mijery any an-kafa
tsy mahazo fafiny any ka miverina mitafa
amin'izao moa efa misy koa ny hafa sy lalao
azo hifindrana vetivety raha toa ka tena lao

nefa ilay resadresaka ao tsy afaka hadino
mankanesa mijery ao anie izay tsy mino
fa averiko eto indray hehy sy fifaliana
no ifampizarana ao toy ny amin'ny olontiana.

Tsiky dia ampy.

AMN (Arialy)
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1451 0
Hevitra mandeha
arialy ( 21/03/2012 11:35)
fomba fijeriko ny karajia izany io é :p
badoul ( 27/04/2012 06:17)
marina le fijerinao e!sad manana aingam-panahy hafakely mints!misaotra e!
rdamase ( 17/12/2018 07:09)
Tohizo eh
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AMN (Arialy)
Nampiditra : arialy
Daty : 21/03/2012 11:35
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01