Miranto Amintsoa (anarim)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Miranto,

Fony mbola I zokinao
No hany tokana nananako
Dia tena nihevitra aho
Fa izy irery no ho taranako

Narary mafy mantsy I neny
Fony niteraka an’I zoky
Hany ka dia tafa-teny
Hoe aoka izay, nanary toky!

Kanjo tsapa teny ihany
Taona maro tato aoriana,
Fa toa nisy banga izany
Dia nitsiry faniriana

Tojo anao ankehitriny
Toa manameloka ahy ny tenako
Fony ilay teniko fahiny.
Tena saika nanenenako!

Dia tonga ianao, lahy tokako
Nitondra tsiky ho an’I neny
Ka izao no lokalokako:
Sy ho fanambiko ombieny :

Miranto Amintsoa
Raha tany koa ny-tany,
Ho ampoky ny soa!
Tsy hisy fiafarany.
--------
Rohy:
Sokajy : ahy - Fitiavana
1638 3
Hevitra mandeha
ANARIM ( 10/08/2009 14:06)
Mirana Liantsoa, Miranto Amintsoa : samy ho ampoky ny soa anie ny tontolonareo mianadahy kely!
Mysento ( 10/08/2009 15:57)
Tena,hipoky ny soa,tokou zareo,manana anao.
mangamaso ( 10/08/2009 17:07)
Sombin'ny aina ary tena harena !
maeva74 ( 11/08/2009 06:36)
Dia tonga ianao, lahy tokako
Nitondra tsiky ho an’I neny
Ka izao no lokalokako:
Sy ho fanambiko ombieny :

Kanto tena nampihetsipo tokoa
nyratsima ( 11/08/2009 16:57)
misaotra e _
ari.malala ( 12/08/2009 11:31)
Mirary soa hoanazy dahy akia a!
rhina ( 28/09/2009 12:10)
afa ihany i neny o!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0109