Vavaka ho an'i dada (anarim)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vavaka ho an’i Dada (Pasteur RANDRIAMANGA)

Tompo ô,

Mitanondrika aho anio dia mitodika Aminao
Mitalaho fa rera-tsaina, mba henoy ity zanakao
Tsy salama efa ela ilay DADA izay lalaiko
Zary namam-parafara, tena trotraka ny aiko

Ny fandriana tokoa mantsy no mba azy ankehitriny
Raha lazoin’ny aretina ilay dadako tsy nanan-tsiny
Fa nasesim-pitiavana hitsidika ilay zafikely
Kanjo indrisy, lavo, potraka, tsy tafarina irery.

Dia nanomboka hatreo, tsy misy miafina Aminao
Ireo toloko sy hirifiriny isan’andro lava izao
Na ny hanin-ko hatelina na ny rano hosotroina
Toa mafaitra sy mangidy nefa tsy azony soloina

Ireo fanafody maro izay tsy maintsy atelina aza
Efa zary mankaleo, fa tena mihoatra ny sahaza
Nefa toa tsy tompom-pidy fa anao ny fandaharana!
O ry Raiko be fitia, mba tolory fitsaharana

Ka sitrano, omeo hery, fa efa ampy izay ny jaliny
Efa ela loatra kosa no niaretany ity aliny,
Mba soloy maraim-baovao sy masoandro mibaliaka
Tompo ô, raha sitrakao, omeo endrika sariaka!

Ka izato fahanterany, mba ho feno tsiky indray
Dia hitsangana handeha amizay ilay DADAnay
Ilay DADA be fitiavana, maro sangy, vazivazy
Hafa ihany i “Pasitera”, hoy ireo efa zatra azy.

Eny Raiko, mba valio izao fivavako izao
Anao tokoa ny teny farany,nefa Ray ô, mitalaho
Mba iangaro mihitsy i DADA, ihantako Anao manokana
Sitrano izy Ray Malala, izay no faniriako tokana!

Misaotra Ray ô!
Amen!
(Mino – FJKM Ambodifahitra Martiora, 27 janoary 2019)
--------
Rohy:
Sokajy : Fianakaviana - Vavaka
2604 3
Mpakafy: ANARIM - dotmg - cedarf
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : anarim
Nampiditra : ANARIM
Daty : 28/01/2019 07:16
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141