You are here: home > Vetso

Vavaka sy Fisaorana - Ando


Herintaona sahady 'zay no niarahanay
na dia teo aza ny adiady sy ny fifamalianay
dia mifankatia tokoa 'zahay
Andriamanitra ô! Tahio ny fiarahanay
ka ho tonga amin'ny zavatra ho kasainay
Izany no hetahetam-ponay
ka valio ry Tompo Malalanay
ny Tokatrano 'zay ho diavinay
dia ho arovanao mandrak'zay
misaotra anao ry Ray
fa vonon-kanompo anao isan'andro izahay

Sokajy : Vavaka

Mombamomba

Mpanoratra : Ando

Nampiditra : zoky
Daty : 04/10/2005
Mpamangy : 2437
Mankafy : 0
Ankafizo Azo vakiana?

Tononkalo hafa

fitia nekeko
Vavaka

Hevitra mandeha

eh (07/10/2005 13:18:34)

tsy misaraka ianareo rehefa anjaranareo ny miaraka ê!tanteraha soa amantsara ô!

RAILOVY (11/10/2006 10:54:38)

de mirary soa ary e, "paradisa an-tany ny fo mifankatia!"

Hametraka hevitra

Midira aloha