Lasa ianao ry malala (andriah mampionona mialy mirana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
raha lasa niainga ianao tamin'ny zoma maraina
namangy anao toy ny fanaoko aho nefa dia nangaina
tena tsy hita izay atao ,mandeha mankatsy mankeroa
ny hany fara-hery sisa ,nanome rano reo akoho

nitomany aho nalahelo ,tena tsy tanty fa mavesatra
mila ho vaky ny loha ,ny fo ,marary tena mitambesatra
mafy tokoa izany hoe:ia^laozam-bady tena tiana
tsy mba faly tsy sariaka fa toa nidiram-pahoriana

efa niezaka ihany ny hanary dia ka hanadino
tsy nety izany rehetra izany ary tena tsy nampino
nirenireny toa adala .tsisy atao ka niodina tsy satry
raha ny fijerin'ny olona angamba iny olon-dratsy

amin' ny manaraka aho cherie aza ilaozana toy ireny
fa aleo re aho mba hahita ny handehananao ry neny
tsy zakako tsy tantiko ny hoe tsy hahita anao
toa efa tsianjery mantsy izany hoe tsy hifandao

aleo aky ho faranako a!fa raha mitohy dia ranomaso
izaho mantsy malahelo ka tsy hampitombo ny ankaso
ka mahereza aza kivy ny foko anilanao foana
na jour na semaine isam-bolana isan-taona
tsy maintsy misy ny fotoana hihaonantsika ety an-tany
raha ny faniriantsika roa aza de hitohy hatrany an-danitra any
--------
Rohy:
1977 2
Mpakafy: Avotra09 - Jemes
Hevitra mandeha
mialymirana ( 15/11/2004 19:55)
zava-misy marina teo amin'ny fiainanay io tononkalo io
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : andriah mampionona mialy mirana
Nampiditra : mialymirana
Daty : 15/11/2004 11:47
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143