Lisitra faha-3 (ANDRIAMANANTENA Solofo Jaona)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tena azo lazaina fa tena mba tsy rariny
Ny nanendrena ahy ho isan'ny ao anaty lisitra
Atao ahoana fa mandefitra manana ny rariny
Satria hono izay no vokatra navoakin'ny lasitra

Tena azo lazaina fa ady an-kafetsena sy lalao maloto
Mody napetraka fa ireo hono ny karazana fepetra sy sivana
Mihevitra izy angamba f'izaho ity tena bandy vendrana sy donto
Ka nolazainy tamin'ny fomba tsotra hoe enao ilay isan'ireo voasivana

Tsy nasiako resabe fa narahiko mora ny fandehany
Asehoko azy ireo koa f'izaho bandy tsy mitsoaka angano
Io angeh raha eto antany tsy maintsy misy farany ny alehany
Ka mbola ho avy amin'azy izany karazana loza sy atambo

Tsy hiantsoako tody na ozona izany sanatria
Izaho koa mino hatrany fa misy dikany daholo izao
Ka raha sanatria ka tsy maintsy hisampana ny dia
Dia irariana mba ny soa sy ny tsara no hifampizarao
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
975 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ANDRIAMANANTENA Solofo Jaona
Nampiditra : Hasinamanambina
Daty : 28/05/2015 06:18
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135