TENA FITIAVANA (ANDRIANAIVO PAUL )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fitiavana tena izy,
Lazaiko anao tsy ankifidy,
'Zay hitsin'io fa io,
Henoy tsara tadidio.
Ny tiakambara dia izao,
Ho soratako ho fantatrao,
Fa ny fitiavana tena marina,
Manampy ny tia ho tafarina.
Ndrao hary fitia sotasota,
Fadio fa fositry ny ota,
Raha arena no hoenty mitia,
Hanenina rehefa tonga arÿ.
Fitiavana tena izy no ambara,
Kolokoloina hitoetra ho tantara,
Mifandefitra raha misy ny diso,
'Zany no miantoka ny ampitso.
Ny tena tia lazaiko ihany,
Fifanapiana no atao sesilany,
Fitia madio mora fanahy,
Tsy mitady ny hahasoa ahy.

Antsirabe le 15/02/18 à 12:30pm
--------
Rohy:
3490 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ANDRIANAIVO PAUL
Nampiditra : andrinaivopaul2016
Daty : 15/02/2018 09:37
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104