soratro (ANDRIANIAINA Fidelis)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
-soratro-

Ry soratsora-mamiko
ry sary hita maso natsangan'ny vinaniko
mirakitra mangina ny tsirom-piaretako
sady manamaivana ny vesatry ny entako
maro ny ady saina mampikentrona ny andrina
ireo vita nanenenana, nianjera tsy voatandrina
ireo mba nikirizana very tsy fandroaka
ny baraka no afaka raha toa ireo mivoaka

ry soratra sakaizako, afeno tsara ireny
ndrao ny mpankahala ahy no sendra mahajery
ny haben'ny barakako, ny ratra sy takaitrako
tsy ho zakanao jerena ny ratram-po mafaitrako

moa tadidinao isan'alin-diavolana
fibitsihiko aminao izay mba hany tetik'asa
nefa ny eo mikatso tsy misy vahaolana
revo ny manarim-patiantoky ny lasa
tetik'asa nofinofy sy ho avy lakalaka

tsy misy mahalala ry dada sy ry neny
itsy olon-tiako lasalasa saina angamba
am'izato fahanginako toy ny olon-dresy
mandefa eritreritra sy to mandrefindrefy
mibanjina fitaratra itarafako ny ampitso
hanetsemako ny banga hanitsiako lalan-diso

ianao ry soratsoratro, ianao irery ihany
no tratra niondanan'izany fikasako izany
raha sendra aho lasa aloha
raha avy izay fotoana hanondrika ny loha
ianao no vadin-tany nandray ny sora-tanako
ianao no mitana ny didin'ny fananako
ny jaliko nafeniko
naliveko tsy hita
ny tetik'asa keliko
mbola tsisy vita
aoka ihany hijanona ho tsiambaratelontsika

Renaldi
02/06/05
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1836 1
Mpakafy: NoroFrance
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ANDRIANIAINA Fidelis
Nampiditra : renaldi
Daty : 31/08/2005 11:26
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154