You are here: home > Vetso

'Lay fitiavako anao - Andrianiaina RJ TSIRY

Raha fitiavana no lazaina
Ary koa ho tantaraina
Aminao ry sombiniaina

Dia tsarovy lalandava
Ny alahelonao hisava
Ary ianao ho mirantava

Satria fitiavan'olon-drery
Ka tsy mamela anao irery
Fa miaraka tsy very

Zovy no tsy mahalala
Fa na bodo na adala
Na Ikoto na Ikala

Raha vao mandre ny anarany
Sy maheno ny tantarany
Dia tonga eny ambaravarany

Be ireo tsy voatanisa
Ka aoka ianao hamisavisa
Ireo hafa sy ny sisa

Ka izao no farateniko
Lazaiko anao fa tsy hafeniko
Raha hipetraka ny peniko

N'aiza n'aiza misy anao
Tadidio izao teny izao
'Lay fitiavako ho anao

Mombamomba

Mpanoratra : Andrianiaina RJ TSIRY

Nampiditra : Niriantsonoely
Daty : 05/04/2018
Mpamangy : 334
Mankafy : 0
Ankafizo

Hevitra mandeha

Niriantsonoely (05/04/2018 13:30:16)

Misaotra anareo mpankafy rehetra e.

Hametraka hevitra

Midira aloha