I NENY Sy I DADA (RK)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mifona izay ry neny
Mifona tamin'adalana ireny
Mifona fa maditra
izay nampitrapitra
Mifona fa namparary fo
izay tsy nahatonga saina anay tokoa

Ny ray mba niteny
tsy nihaino izay tamin'ireny
Nikapoka anay ankizy
Nikapoka anay izy
mamelona mitady vola isan'andro
mitady izay hoanina isan'andro

I dada sy mama
dia hafa ihany fa tena matamana
Ny eo anilany toa milamina
Ny eo anilany afaka mandamina

Zany no hanafarako
ireo namana sy havako
hajao ny ray aman-dreny
fa mampa-lava andro hiainana ireny
--------
Rohy:
1997 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RK
Nampiditra : joda400
Daty : 18/01/2016 14:45
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103