Tiako iny Tovovavy (RK)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indro nisy tovovavy
Teo amoron-drano
Ny endriny miramirana
Ny bikany koa toa kanto
Fa resina izaho tena raiki-pitia
Ny faniriko dia hiresaka
Mandrakizay doria

Ry tovovavy tanora fanahy
Tiako raha mba ianao no tia ahy
Nefa tsy hazo terena ny fitia
mandrary fiatsaram-belatsihy

Misy hery tsy azo resena
ato anatiko ato
Misy hery hafahafa tsy azo hosena
ato anatiko ato
Fa maninona no mangataka fitiavana
fa maninona raha mpinamana
Tsy anjarako ny mamaly an'izany
Fa ny hazoko lazaina
dia ny hafatra no tiako hampitaina


Raha mody ny masoandro
nampisy ny hafanana
Dia efa vonona ny dia-volana
hampisy ny hazavany
--------
Rohy:
1925 2
Mpakafy: james01 - joda400
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RK
Nampiditra : Joda400
Daty : 18/01/2016 18:02
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0855