Ady ny fitiavana (andriary)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa...ady ny fitiavana
ady tsy ananan-kavana
ka ny babo sady resy
no voahosotra mpandresy!

Fa...ady ny fitiavana!
ady sarotra fandavana
mifamolaka manokana!
ho tonga fon'olon-tokana!

Fa...ady ny fitia!
ady mba hampiara-dia
ny dian-tongotra ho iray!
raha tsy izany tsy hifandray!!!

Raha fitiavana tsy misy ady!
tsy hana-tanjona ho mpivady!
aleo miady,hampisy laka!!
'nareo roa no ho mpanjaka!
--------
Rohy:
2098 4
Mpakafy: andriary - chipie1 - monina - nanaina
Hevitra mandeha
mi12 ( 20/11/2004 09:21)
marina ny teninao fa tena ady tokoa ny fitiavana ary ady mba hampiara-dia tokoa. Mahafinaritra. Tohizo. Fa raha tsy miady tokoa ve moa tsy mifankatia? ary ahoana no fomba hifandraisana @ mpanoratra?
chipie1 ( 24/11/2004 17:08)
tsara ka!
ravaomanahirana ( 28/01/2005 18:40)
nefa ..anjara ny fitiavana
sy ireo te hiara-dalana,
tsy kisendrasendra na namboarina
vokatry ny fo,fitiavana marina!!

mampanainga aingam-panahy ny mamaky ny diam-peninao sy hevitra fonosany ry andriary!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : andriary
Nampiditra : andriary
Daty : 19/11/2004 15:51
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0114