Iny taona iny! (andriary)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iny taona iny
Aza andramana sakanana
Fa avelao dify any
Hatrany am-para-tazana
Honina any an-tany ngazana

Fa mafy tamiko ny nentiny
Mafy tamintsika koa
Ny rivotra nafafiny
Mbola io manako-pery
Manolatra ny very

Iny taona iny
Avelao hivalona any
Hitondra ny forongony
Aza hasiana alahelo
Enga anie ho any an\'helo

Fa iny taona iny
Raha toa ka manao veloma
Dia asio fifaliana
Arahana korana
Dia ho tony ny tanana!

Andriary
--------
Rohy:
905 2
Mpakafy: Arimalala - andriary
Hevitra mandeha
ravaomanahirana ( 28/01/2005 18:33)
tsara fa tohizo ry andriary tiako hampiana kely mba hampamaivana ny foko
iny taona inyhandevonako ny anarany
hamotehiko ilay sary sy ireo tantarany
iny taona iny namandoko ranomaso
tsy nitondra soa ho ahy afatsy ny ankaso

izay ihany dia mivalona any iny taona 2004 iny!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : andriary
Nampiditra : andriary
Daty : 31/12/2004 12:17
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146