You are here: home > Vetso

Tsiahy lalina - andriary

Misy feon'aloalo manako hatrany an-dohasaha
Mitsiahy ny tonon-taona , rinangotry ny nimaona
Miantsy volon-danitra : halahelo sy hisaona
Ny tantara fahagola , vinilan'ny tamberina!

Misy feo tsy aman-teny , nanonga ny eritreritra
Maminany tara-bolana   misarin-dokon-javona iny
Tinaran'ny andro lasa , mitahiry ny fahiny
Dia ny vetsoko tsy rongatra ; miampoka tsiahy lalina!!!

Andriary
( 2005 alohotsy )



Sokajy : Aingam-panahy

Hevitra mandeha

soari25 (19/05/2006 11:19:59)

inona ilay hoe vinila?????
fa tsara aloha e !

Malalason (13/07/2006 13:46:18)

vinilan'.... = navilin'ny tamberina nefa sao dia tsy izay, fa izay aloha no ahalalako azy
tsara be mihintsy ny aingam-panahin'io Akamako io an
Malalason

Hametraka hevitra

Midira aloha