Toy ny... (Andrimaranitra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Toy ny…

Toy ny tsy fahafahako mankafy ny haren-java-boarin’ny tanindrazako
No tsy famelanao ahy hitia Anao rahavako
Miha ory ho azy eny ny foko, tsy maninona fa ekeko
F’efa nahay niray fahantrana aho tamin’ny fireneko.

Tsy manam-bola aho tsinona hitetezako ireo tanána malalako
Toy ny tsy fananako endrika mendrika Anao rahavako
Tsy maninona fa na ny masonao mamiratra fotsiny ihany aza no jereko
Dia ampy hilazako fa manan-karen-java-boary ny fireneko.

Toy ny tsy fahafahako mahalala ilay Andriamanitro
No tsy famelanao ahy hanatona Anao ry olon-tiako
Miha osa ho azy eny ny fanahiko, tsy maninona fa hihafiako
F’efa nahay nampisy hazavana aho isak’izay alina ny lanitro.

Nefa anie ilay Andriamanitro no Tompon’ny aiko
Toa Anao ry faniriako, Ianao no mpibaiko ny saiko
Tsy maninona fa na ny volonao mitopatopa manafosafo ny tavako
Dia ampy hilazako fa Ianao ilay Anjely mpanafosafo ny torimasoko rahavako.
--------
Rohy:
1662 1
Mpakafy: haraldtohaina
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146