You are here: home > Vetso

Velona foana Izy - Andrimaranitra

Velona foana Izy

Velona foana Ianao ry Bakoly
Velona foana Ianao ry vady malalako
Satria ho'aho tsy maty Ianao fa matory
... Ianao tsinona dia tena endrik'ireo zanako.

Ny fotoana no nandao herintaona
Fa ny fonay tsy moana
Izahay aza mbola tsy nisaona
Satria Ianao velona eto aminay eto foana.

Havana, namana aman-tsakaiza
Izahay tsisy manadino n'aiza n'aiza
Ny zanakao maroroka be tsara taiza
Satria velona ao am-pony Ianao ary hateza.

Tompo ô, izany hafaliako
Satria zanakao efa natsanganao ho velona
Kristy tsinona no ao aminy
Eny, " Velona, TENA VELONA IZY !!! "

Sambatra - 31 Janvier 2011 no nahaveloman'i Bakoly indray
Tsingerin-taona 31/01/2012

Hametraka hevitra

Midira aloha