HAFAHAFA (ANDRINIAINA1)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hafa amin'ny hafa rehetra...


Tsy tiako ianao ho tiako!
Ary halako ianao ho halako!
Hafahafa izany iriko;
Hafahafa zany anjarako.


Eritreretina toa tsy takatra;
Rehefa tsy dinihina toa hay sy mora azo.
Toa heverina midina; nefa toa miakatra.
Toa mitsingevana, mihazoazo.


Tiako hafoiko ianao ry tsy foiko;
Nefa aleoko tonta toy izay vaovao.
Tiako ho tadidy nefa aleo hadinoiko;
Izay rehetra momba anao.


Raha ny olona no mitsara:
De toa hafahafa tsy hay lazaina.
Toa heverina ho adaladala:
Nefa toa hendry hany sady misaina.


Bedebe no lasa mandinika:
An'zay zavatra tena tiako hambara.
Izaho mpanoratra anefa mivanitika;
Fa ianareo no tsy mahalala.


Mety misy tonga saina;
Ka avy hatrany de minainaina.
Mety misy maka lagy;
Amin'ny resaka vazivazy.
Mety misy azo tsiky hany;
Amin'zay resaka hanihany.


Fa tiako izy na de halako:
Fahavaloko, malalako.
Tiako hadinoina saingy tsaroana.
Tiako soloina nefa tsy foina.


Zany ve no fitia adaladala!
Sa adaladala refa tia??
Isika samy mahalala!
Fa refa tia de mankafy...
Tsy voarara bedibedy,
Tsy voasakana tebiteby.
Tsy mety miala na de hahifika;
Fa satry foana ny hamikitra.


Mamoy fo nefa mora ihany;
Fa ny manantena ny tsy misy: tsy tsara.
Satria ny tsirairay eto an-tany:
Dia samy manana ny anjara.


Ny fitia hay hafindra;
Fa toy ny voninkazo ihany.
F'izay mivarilavo no voa indrindra;
Raha mbola miaina eto an-tany.


Izay mahakolokolo no hanana ny tsara.
Ary izay tsy miezaka mihitsy no tena adala.
Izay mivoatra hatrany no hahazo izay irina.
Ary izay mahay miaina no hahita fifaliana.


Andriniaina1.
--------
Rohy:
2251 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141