HAFATRA! (ANDRINIAINA1)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hafatra

Aza resy tsy miady;
Raha mbola mitady.
Aza be fitarainana
Satria ady ny fiainana.

Aza mora kivy;
Na dia maro aza ireo adidy
Miezahà hatrany;
Hikatsaka ny soa sy ny mamy.

Aza dia mora ketraka;
Na dia tsy vitsy fa betsaka:
Ireo mpanenjika tsy tia.
Aza atao mankahia.

Aza mora tezitra;
Na maro aza ireo tsy mitovy hevitra.
Aza atao hampihanahana;
Fa ambony foana ny fanantenana.

Aza be ahiahy;
Raha mbola Izy Tompo no miahy.
Aza miahotra,
Aza matahotra.

De mahereza lalandava;
N’inoninona hitranga,
N’inoninona miseho:
Dia mivonona hatrany ka atreho.

Manana finoana,
Manana fiononana,
Mitafia fanantenana,
Mandehana amin’ny fahazavana,
Iaino ny fitiavana,
Ary aza miavonavona.

"Tadidio hatrany;
Fa na hangidy na ho mamy:
"Tsy misy manana ny ampy,
Fa sambatra izay mifanampy!"

ANDRINIAINA1.
--------
Rohy:
Sokajy : HAFATRA
2370 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096