IZAHO SY IANAO! (ANDRINIAINA1)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZAHO sy IANAO!


Tiako sady mamiko
IANAO ho ato amiko
Izaho ao AMINAO
amin'izay rehetra atao.

IANAO no AINA mamelona "ny zavatra rehetra"
IANAO no AINA iveloman'"ny zavatra rehetra"
IANAO no ilay Mpahary ny TSARA
Ka ao AMINAO ny zavatra rehetra no mitombo,mivoatra, mihatsara, ...

Misaotra ANAO aho amin'ny zavatra rehetra:
Nomenao ahy hanjakako tsy misy fetra.
Mankasitraka ANAO aho amin'ny ASANAO rehetra:
Iarahanao aminay tsy misy fetra.

Tiako ny miara-miaina AMINAO:
amin'izay rehetra atao.
Haiko sy ho vitako ny zavatra rehetra:
Amin'ny fotoana sy toerana tsy misy fetra.

Izay nataonao dia tsara avokoa;
Izay ataoko dia tsara ihany koa.
Satria Tokana ihany izaho sy IANAO:
amin'ny zavatra rehetra atao.

Ekeko ny hanjakanao eo amin ny fiainako:
Amin'ny foko sy ny fanahiko ary ny fisainako.
IANAO irery no Andriamanitra hotompoiko.
Ka TSY hataloko na hafoiko na hosoloiko.

Mitenena re IANAO:
Fa mihaino ANAO aho.
Bitsiho amiko izay Tinao;
Fa ho tanterahako tsotr'izao.

Afototro AMINAO:ny fahalalako.
Hafantarako izay lalan-kombako.
Dia hivoatra, handroso, hihatsara,...:ao AMINAO
Ny fiainako, ny finoako, ny fanantenako, ny fitiavako.

ANDRINIAINA1.
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka - fiainana - Fitiavana
2805 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107