NISESISESY (ANDRINIAINA1)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nisesisesy!

Niala ny mamba:
Nisosoka ny voay.
Mila hahajamba;
Ka mila hahafay.

Ny eto tsy vita:
Ny eroa koa tsy miala.
Ny atsy tsy hita;
Ka mila hahadala.

Misesisesy hany:
Tsy mety mijanona.
Mibosesika hatrany;
Ka mila hahafanina.

Mila tsy ho araky ny aina:
Ny zava-misy sy ny adidy.
Manakorontana ny saina;
Ka mila hahakivy.

Tongatonga fahatany:
Manao bebe fiavy.
Ny olana tsy lany;
Ka mila hampanavy.

Tsy ketraka, tsy kivy:
Fa miezaka foana.
Manao ny adidy;
Misedra izay manoloana.

Ny finoana tsy ariana:
Ny fanantenana no iainana.
Tsy maitsy hahita fifaliana;
Ka handresy amin'ny fiainana.

Mandalo miserana:
Ny zavatra rehetra.
Tsy azon'izaniza ferana;
Izay hiseho tsy voafetra.

Izay mivarilavo:
No adala indrindra.
Fa izay mianjera sy lavo;
No hahay mamindra.

Miezahà, maherezà:
Araho asa ny finoana.
Fa izany no hahavokatra.

Andriniaina1.
--------
Rohy:
1412 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142