TIAKO, SITRAKO, IRIKO, ANTENAIKO! (ANDRINIAINA1)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TIAKO, SITRAKO, IRIKO, ANTENAIKO!

Tiako hihavao:
Ny fitiavako anao;
Isan'andro vaky izao.
Tiako haharitra hatrany:
Hitombo tsy ho lany;
Na hangidy na ho mamy.

Sitrako haharitra ho doria:
Ilay foko tena tia;
Ka sanatria raha izay hania.
Sitrako ho tia anao foana:
Na oviana koa fotoana;
N'inoninona hanoloana.

Iriko hitoetra lalandava:
Ary koa tsy ho rava;
N'inoninona hitranga:
Ilay fitiavako anao,
Ilay fahatsiarovako anao,
Amin'ny zavatra rehetra hatao.

Antenaiko hatrany:
Mandritry ny fiainana eto an-tany;
Na hangidy na ho mamy:
Fa ianao ihany no tiako,
Ary koa ilay niriko,
Ka tsy hafoiko na hariako.

ANDRINIAINA1
--------
Rohy:
2016 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ANDRINIAINA1
Nampiditra : ANDRINIAINA1
Daty : 30/08/2012 12:23
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0165