Mitampody (Andriniela)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mitampody.

Moa mba tsapanao va re ny alahelon-dray sy reny
Ilay mpananatra anao,kanefa ianao tsy nino teny
Ankehitriny ianao dia lavo,resy,trotraky ny fiainana
Ka satrinao hamoha ny maty fa tsy misy hitarainana.

Ilay diavolankelinao tamin'izany andro izany
Nivadika ho raho-mainty sy vesarana tomany
Kamboty ianao vao, indrisy,mahatsiaro ny taloha
Zary nenina sy latsa,fa ny lasa tsy hifoha.

Toa voninkazo ianao fahiny ka nokolokoloina fatratra
Ndrao malazo ka ho maina,tsy mba nialana sasatra
Kinanjo,hay ianao nandà fa tsy nila fanafody!

Ankehitriny ianao miteraka,hikolokolo azy koa
Kinanjo izay naterakao manitsaka ny tampon-doha
Ka zary alahelo ho anao! Ny nataonao no mitampody.

Andriniela.
--------
Rohy:
1292 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Andriniela
Nampiditra : Andriniela.
Daty : 22/10/2014 15:47
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154