Poeta (Andriniela)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Poeta...

Toa mirindra miaraka amin'ny firindran'ny voaary
Ny kalonao poeta
Ka mampangetaheta
Ny fanahy voangolingolin'ny endri-tsarisary
Ny zava-kantonao

...eny, hanoratra aho!
Hanoratra aho satria,hay moa mbola misy
Mahay mamelona ihany
Ny tara-pahazavan'
Ny teny mamintsika-nataoko hoe: indrisy!

Fa noho ianao poeta,ny poeta tato amiko
Dia indro koa fa velona
Ka lasa mpifamelona
Hanandratra ny teny,ny teny tena mamiko

Fanahy tonga fanahy ary mamorona fanahy
Kalo tonga kalo
Ka zary tononkalo!
Avy amin'ny soratrao kanefa tonga ahy...
Ka manala hetaheta
Poeta mampifoha poeta.

Andriniela.
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1207 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Andriniela
Nampiditra : Andriniela.
Daty : 25/10/2014 06:32
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141