Sambatra aho raha... (Andriniela)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sambatra aho raha...

Sambatra ny voninkazo,
Misy anao hanoroka azy eny anivon'ny maraina
Misy anao hanondraka azy tsy ho maina,tsy halazo...
Eny, sambatra izy mantsy...tsy toy ny foko izay mangaina!

Sambatra ny rivo-tony,
Afaka mitondra ireny fofon-dranomanitrao
Ary iainanao mihitsy... He finaritra ny fony,
Tsy toa ahy mipitrapitra tsy sahy mijery ny endrikao!

Sambatra,eny,tena sambatra
Izay voakasik'iny tananao malefaka iny...
Tsy toy ny foko izay miambatra
Tsy ho sahy hilaza akory,matahotra ny hidifiny.

Eny,mantsy,sambatra aho
Raha toa ka mba ananako ny famohana ny fonao...
Eny,mantsy,sambatra aho
Raha toa ka tsapanao ilay fitia anatiko ao!

Fa izaho tokoa no tia,
Dia lazaiko ho sambatra avy ny tontolo izay lalovany...
Izaho no kotsan'ny fitia,
Dia ny voaary koa no lena raha topazan'ny salovany!

Eny,sambatra daholo
Ny voaary manontolo
Raha anoloranao fitia,
Fa mba omeo ny foko tia
...dia ho sambatra koa aho!

Andriniela.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1439 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Andriniela
Nampiditra : Andriniela.
Daty : 22/10/2014 14:28
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097