Tsy ho mora... (Andriniela)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy ho mora...

Tsy ho mora tsy akory ny handrava
Irony raho-manarona irony
Tsy ho mora ihany koa ny hampisava
Ny alaheloko tsy mba ho tony

Fa tsy ho mora ny hisotro ny ngidy
Eo anivon'ny fahamamiana
Tsy ho mora kanefa tsy fidy
Ny higoka ny rano tsy tiana

Tsy ho mora ny hizaka ny zioga
Mavesatra tsy eran'ny aina
Tsy ho mora... Rahoviana no ho tonga?
Ka hotsenain'ny andro maraina!

Fa tsy ho mora ny hitondra ny ratra
Hampisetra fangirifiriana
Tsy ho mora satria tsy nahazatra
Ny ilaozan'ny olona tiana

Andriniela.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1289 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Andriniela
Nampiditra : Andriniela.
Daty : 21/10/2014 12:51
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139