Ny nahitako anao (Andrin'ny Avo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Afo kely no nirehatra,
nitsilopy tao an-tratrako,
fa toa kotroka nitselatra,
ianao ilay vao tazako;

Afo-manga, doboka amponga;
nifety anao ny tao am-poko,
ilay nandrasako no tonga
hampisinda ny toloko;

Tsy hiato aho tsy hitony!
hoy ny foko maika ery,
tsy hitady hafa intsony!
fa aminao no hiara-dia;

Dia fijery iray kamboty
no namoha ny fitiavako
gadranao aho mba avoty
tia anao aho re rahavako.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2557 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101