Tafandria mandry (Andrin'ny Avo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tafandria mandry ankia ry sombin'ny aiko
dia manindina avo ianao ry andry soan'ny saiko,
ho an-tanin'nofinofy no 'ndeha zory ho lalanao
ho tantanako an-kira hoy ilay malalanao

izay mitendry ny valihim-bolonao,
mibitsika ny toky, rahatrizay tsy mba handao,
tsy hanipy aloha ireo masony fa hiandry ny anao
ho zevatry ny torimaso mandra-maraina vaovao.

Tsy ahoako ny alim-pito satria ianao no masoandroko
ny tsikinao iray ho ampy hanazava izay sisa kely ho androko,
ka ny ahiahinao esory, aza sainina akory
f'efa feno ny hafaliako raha mahalala anao matory.

Aza ambarambara rehefa ampitso ireo nofinao omaly
f'avelao 'loha mba ho anao sy ny farafara ihany
sao mantsy nofy tsara ka andrao tsy ho tanteraka
raha nofy ratsy nefa dia lazao, tantarao mba tsy handreraka

tafandria mandry akia malalako, ny fanala ho sakanako
ianao, ho fihiniko an-tanako.
Adinoy ny tsy fananana, adinoy aloha izay fianarana
f'ity ny tratrako ondanana.
--------
Rohy:
Sokajy : ahy - Fitiavana
7191 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.017