Te ho anilanao (Andrin'ny Avo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Te ahita anao 'reo masoko, indray manganohano,
te hibanjina sy hanaraka hisafo ilay sori-tavanao.
Ny tandidonao no tazako manjombona an-drano
ka nandramako noraisina nefa indro fa nandao.

Raha 'zay sary tsy ahoako, fa ny hany mba ilaiko
dia ny hamihina anao ho eo an-tratrako ry aiko
ka hanitrika ny safon-tanako ho an'alam-bolonao
sy hibitsik'ireo teny kely roa izay efa fantatrao

F'ireo teniko ho voafafa, ho adino izay nambarako,
ny sisa ho hany marina dia ny tananao an-tanako,
tsy havotitro intsony raha tsy masoandro mody
dia harary indray aho ny alina, ianao no fanafody

'ndrisy anefa mbola ho ela ny ahitako anao indray,
io no vavako isan'andro, hangatahiko amin-dRay,
dia ny ho anilanao, no iantombohan'ny tantarako
Hafa ihany hoy aho lereitsy ny anilan'ny malako
--------
Rohy:
1962 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0902