FO MIJALY (ANDRIAMASIMANANA Andry)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eny ampy izay,
aleo faranana,
f'efa tojo ty sampanana,
eny tsy hihaona intsony,
ka ny fo re mba onony,

tsy sitra-poko ny nandao,
ka naharava ilay fitia,
tsy tazoniko ela ianao,
mandehana mivilia,

fa safidinao izao,
k'avelao aho mba hiaina,
ny fontsika hifandao,
tsofy rano aho sombin'ny aina,

dia soava dia mihintsy,
aza miherika intsony e!,
f'efa anjara tsy midify ny ahy,
efa tendry avy ao ambony...

f'avelao aho ho amin'izao,
hizaka izato fahoriako,
fa ho tsaroako foana ianao,
ho tadidiko ry tiako!!!!

dia ny masoko io...akimpiko,
eto ambon'ilay fandriako,
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - fiainana - Fitiavana
3008 3
Hevitra mandeha
zoana15 ( 01/06/2015 13:02)
Mitsikia ! Miràna endrika !
K'aza odiana re akory ny fanetoky ny fery
ao anatinao, ry foko ! Pero aza ny fisento
tsy hipololotra intsony, ka ny masonao mijery
Hatanjaho tsy ho rendrika !

F'efa hatrany am-piandohana
no nazava taminao fa ny volana handalo
ary hanintsana ny felany aorian'ny famololony ;
ny lohataona dia ho lasa ... ny valiha hitsaha-kalo,
ary tahaka izany koa ny fitiavana natolony :
Tsiro manam-piafarana.

Ny fahendrena ve ? Fantaro !
Minia mitsiky raha ory, minia mifaly raha tomany.
Ny ranomaso atelomy na mangeja sy mandifotra
fa hanjary "perla" izy, toy ny fasika mavàny
Nokobonin-taona maro tao ankibon'ito sifotra
Ny toloko, atsaharo !
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014