HANDAO ANAO AHO VETIVETY. (ANDRIAMASIMANANA Andry)

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
-------------------------------
ry tanindrazako malala ô!
handao anao aho vetivety,
tsy hanadino, fa hiverina,
f'handalo ihany aho dia mihelina,
-------------------------------
ry tanindrazako tsy foiko,
tena tiako sady mamiko,
ianao tsy ho adinoiko,
f'hitady vola aho, tena marina,
-------------------------------
handeha ihany aho raha mba mety,
fa raha eto za sahirana,
tsisy vary iray venty,
tsisy azoko amikirana,
-------------------------------
f'ito nosindrazako ito,
efa fongana voaroba,
ireo malagasy an-tapitrisa,
efa babo sy voafonja,
-------------------------------
tsy fitiavan-tena izany,
f'itsinjovako ny ho avy,
fa isika rehetra izao,
tsy hisara-mianakavy
-------------------------------
ny alaheloko tsy tanako,
tsy ahafahako manoatra,
fa jereko ny ho avin-janako,
izy koa mba tiako hivoatra,
-------------------------------
fa eto ho aho izaho manofy e!!!
-------------------------------
mba rahoviana re no ho tonga,
ilay mpitondra voatendry,
ka ny vahoaka manontolo,
dia ho sambatra ary ho hendry,
-------------------------------
k'amin'izay andro izay,
rehefa tonga ilay fotoana,
dia hitsangana ny maty,
ary mety hiteny koa ny moana,
-------------------------------
ANDRIAMASIMANANA ANDRY
--------
Rohy:
1155 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105