NIOVA NY FIAINAKO (ANDRIAMASIMANANA Andry)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
-------------------------------------------------------
niova ny lalako ankehitriny,
niova ny fiainako, tsy toy ny fahiny,
niova tokoa fa tsy fanahy iniana,
niova ho vaovao, izay toy ny vahiny,
-------------------------------------------------------
niova ny fiainako fa teo ianao,
ny zava-panaoko niova vaovao,
ny lala-kizorako, ilay niolankolana,
lasa nahitsy, tsy nisy olana,
-------------------------------------------------------
ny orako rehetra, dia niova ihany koa,
ny alina hatory, ny maraina hifoha,
ny namako sasany, dia indro nafoiko,
f'ianao ilay tiako sy akaikin'ny foko,
-------------------------------------------------------
niova ny antsa, izay novazoiko,
fa ny hiranao izao no kalokaloiko,
ny teny ambony tamboho, izao efa nialana,
f'aleoko mihaino ny feonao ry malala,
-------------------------------------------------------
ianao ilay miangoty, sy mitsiky malefaka,
ny foko nidoboka, sady nitresaka,
ilay feonao, rehefa miresaka,
mampitraka ilay kivy sy efa ketraka,
-------------------------------------------------------
satriko hiaraka sy anilanao,
higoka hasambarana sy fiainam-baovao,
kanefa tsy izany, fa taty afara,
niova daholo izao, re ny tantara.
--------
Rohy:
1323 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103