SERASERA (ANDRIAMASIMANANA Andry)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny serasera ve? zary lasa fiainana
Alefa ao daholo, hatraminy fitarainana
Ny any amponao any, raha toa mararirary
De anaty serasera, vahaolana amin’izany
Ny hafatra rehetra tiana ampitaina
Dia ny serasera, io no tena ilaina
Antapitrisa maro, no liana amin’izany
Manerana, ny nosy tontolo eran-tany
Ny namana taloha, ny Havana rehetra
Hita ao daholo hatramin’ireo pretra
ny resa-politika; sy io fitiavana io
hatraminy mistery, sy 'zay mitranga anio
dia hita ao daholo ny fiainana rehetra e!!!
hatrany an-tokantrano sy ny etsetra etsetra....
raha mitady vady; na olon-tiana ianao
dia aza miala mihitsy, anaty sera ao
fa natokana mihitsy , ho an'ny eran-tany
fa tsy ho antsika, eto Gasikara ihany
ny tantarany ?? dia tena lava be
fa raha te hanontany, dia RAHERY hamaly izany
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1058 1
Hevitra mandeha
andry 1000 ( 18/04/2015 07:34)
Io le serasera ry endrika01 a..efa nosoloiko serasera mantsy le facebook
hjravs ( 18/04/2015 07:49)
hita mihintsy ny mpanoratra hoe, tia miserasera... Mahafinaritra e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096