You are here: home > Vetso

AZA MANAO ORY HAVA-MANANA - Rasamindrakotroka Andry Tiana

Azo vakiana?

AZA MANAO ORY HAVA-MANANA

Mahavariana ny mandinika ny fisainan-tsika Malagasy ;
Lany  andro mifanenjika,  amin'ny  zava-maro  miseho.
Mifampikapa  ranjo  foana,  mifampively  vody  basy ;
Avy  eo  samy potika,  torotoro,  ny tontolo  mankaleo.

Raha vao teratany no mioitra, manana sy misongadina ;
Dia enjehina,  aratsiana,  lotoina  isan'andro  vaky izao.
Amin'izay potraka amin'ny tany, rehefa vita ireo hadina ;
Noho  ny  atsanga  tsy aman'orana,  mahafeno  tabilao.

Ny fiariana izay vita, lazaina risoriso sy halatra daholo.
Ny fananana  mitsangana,  azo tamin'ny fanambakana.
Ny ezaka andresena lahatra, lazaina fanaovana bontolo.
Raha vao  mihetsika, atao izay  aharendrika  ny lakana.

Raha vahiny, na vahiny teratany, anefa no mpanefoefo ;
Dia ekena marindrano, satria izay no lalànan'ny natiora.
Tsy misy ny manelingelina, na ireo mpanana na marefo.
Ny zava-misy aza, misy mankasitraka, manatitra miora.

Marina, ekena, misy ny nangorona harena tsy hita fototra ;
Fa  tsy atao anaty  sobika iray daholo, ireo Gasy manana.
Ary  tsy tokony ho aratsiana, na  enjehina, mba hidofotra.
Raha izay,  very  ny  Firenena,  ary  very  koa ny  namana.

Raha izany foana ny fisainana, tsy hisy ny fandrosoana.
Toy ny "ory hava-manana", mifampisintona foana midina ;
Fa tsy mifandrisika hiakatra, ho hita daholo eo anoloana,
Mba  tsy  hisy tavela,  satria natsangana  ireo nitsingidina.

Hafatra kely fotsiny atsipy, ho an'ny Gasy manana na tafita,
Fadio  re ny milanjalanja  orona, sy koa ny miavonavona ;
Satria raha izay no miseho, ho ratsy daholo ireo zava- bita.
Mahatonga ny fihetsika, toy ny valala mifanipaka an-karona.

Ilaina  ny   fiovan'ny  toe-tsaina,  raha  tiana  ny  handroso.
Trano  atsimo   sy  avaratra,  izay  tsy  mahalena  ialofana.
Mifanampy  sy  mifanohana, mba  tsy  hisy ho lasa androso ;
Satria  vary  sy  rano, ka  ny  lembalemba  misy,  ho totofana.

RAS AMINDRAKOTROKA Andry Tiana
04 May 2019

Hevitra mandeha

s19andry5851 (25/06/2019 07:41:32)

Hafatra kely fotsiny atsipy, ho an'ny Gasy manana na tafita,
Fadio re ny milanjalanja orona, sy koa ny miavonavona ;
Satria raha izay no miseho, ho ratsy daholo ireo zava- bita.
Mahatonga ny fihetsika, toy ny valala mifanipaka an-karona.

s19andry5851 (15/07/2019 03:57:21)

AZA HADINO ny manindry ny "ANKAFIZIKO" raha tianao !
Misaotra Tompoko !

Hametraka hevitra

Midira aloha