FA NANKAIZA HOY AHO? (Rasamindrakotroka Andry Tiana)

Nantsain'i Lounih Rasamin
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa nankaiza, hoy aho, ilay fahendrena Malagasy?
Nitandro sy nihazona ireo soatoavina;
Ka nampiaiky ireo vahiny, na vazaha an-taratasy;
Ny fitandroana ny fahamarinana, narenty sy notoavina.

Fa nankaiza, hoy aho, ny fahendren’ny Ntaolo taloha?
Nikajy hatrany hatrany ny hisiam-pifanampiana.
Valala iray nekena hifanapahana, ary koa nikaonan-doha,
Hampirindra ny tontolo, mba tsy hisy hanoha riana.

Mba nankaiza, hoy aho, ireo toetra mendrika sy soa?
Mifampitsinjo foana na amin’ny mora na amin’ny sarotra.
Ny atsimo sy avaratra mifampiantso: avia, mandrosoa!
Tsy misy milamila vaniny, tsy misy adivarotra.

Mba nankaiza, hoy aho, ny fikajiana ny marina?
Toy ny anakandriamaso, noho ny tahotra an’Andriamanitra.
Tsy hifanambakan’ny tafita sy ny tsy tafarina;
Fa mifanampy eny foana, mba handovana ilay lanitra.

Mba nankaiza, hoy aho, ilay “lahitokana ny aina”?
Ka tsy nisy sahy nandatsa-drà ireo tsy manan-tsiny;
Nifampiaro foana teny, mba tsy hisy hanao Kaina;
Dia hirindra ny tontolo, ho tokam-po, toy ny siny.

‘Ndao haverintsika indray, ilay fahendren’ny teo aloha;
Izay nampalaza antsika, ary tena nampiaiky ireo vahiny.
Ka samy hitondra ny anjara biriky folo zato ambony loha,
Dia halain-tahaka hatrany, toy ny taloha ny ankehitriny.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
24 Aogositra 2016
--------
Rohy:
1039 6
Hevitra mandeha
s19andry5851 ( 25/03/2023 10:46)
AZA HADINO NY MANINDRY ILAY FO EO AMBONY IO MANAMARIKA NY FANDALOVANAO.
MANKASITRAKA TOMPOKO, SAMY HO TAHIAN'NY TOMPO HATRANY ISIKA !
Professeur Andry RASAMINDRAKOTROKA
hery ( 03/09/2023 17:31)
Misaotra an'ilay mpiantsa.
Afaka miantsa tononkalo hafa koa an :-)
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157