You are here: home > Vetso

FARATSIHO ILAY TOKANA AMAN-TANY - Rasamindrakotroka Andry Tiana

FARATSIHO ILAY TOKANA AMAN-TANY

Misy distrika iray, mahafinaritra, ao Andrefan'Ankaratra ao.
Miaraka amin'ireo tanàna maro, inoana misy ny efa fantatrao :
Faratsiho, Ambatondradama,Vinaninony, izay efa henonao  ;
Miandrarivo, Àndranomiady, Ambohiborona, inoana fa tianao,
Ramainandro, Antsapanimahazo, maro koa ny  ankoatra ireo.

Distrika tena meva, nantsoina hoe " la Frantsa kely " fahiny ;
Noho ny zava-mampiavaka azy,  taloha, eny  koa ankehitriny.
Ny mponina ao tsotra, mahafinaritra, na tompontany na vahiny.
Iza ary no tsy ho liana, tongava, tsidiho, fa tena tsara ny fisiany.
Ka satry foana ny hitsidika azy, ireo tsy afaka tsy omena tsiny.

Maro ny toeram-pitsangatsanganana, raha toa misy te-hiala voly.
Hisitrahana ny hakanton'ny natiora, na an-tanàna na antanim-boly.
Hanaovana fanatanjahan-tena, hamakiana boky na koa baiboly.
Tsara ho an'ny nofo, sy saina ary fanahy, tapitra eo ny  sorisory.
Ho adino daholo ireo zava-manahirana, ary be no ho resin-tory.

Ny tany ao tena mahavokatra, indrindra fa ny fambolena ovy.
Be koa ny voly hafa sy ny fiompiana, ho an'zay te-hampitovy.
Rehefa miasa an-tsaha, na an-tanàna, misiotsioka toa railovy.
Tsy  misy ny mitsanga-menatra, ka hisy hanontany hoe : zovy ?
Ka na aiza na aiza aleha, lazaina,  hafa ihany ny "mpitsoka ovy".

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
16 Febroary 2018

Sokajy : Tanindrazana

Hevitra mandeha

s19andry5851 (28/02/2018 08:06:13)

TSINDRIO EO AMIN'NY ANKAFIHIZO RAHA TIANAO !

s19andry5851 (28/02/2018 08:07:07)

TSINDRIO EO AMIN'NY ANKAFIHIZO RAHA TIANAO !

nalsonrazakariasa2015 (20/05/2018 13:25:20)

Misy toerana iray
Izay voatononao teo
Dia Ambohiborona izay
Sady fantatro rahateo
Tany no nahalehibe
Izao tenako izao
Koa tiako loatra anie
Io tanàna voalazanao
Io...
Mahafinaritra tokoa
Raha ny any ambohiborona
Izay jerenao dia soa
Na ny toetra ny olona

Iriako anefa tsy ho adino
Ireny tanàna niaviana ireny
Tano mafy ary fikiro
Fa mitaiza ombieny ombieny
Ny ankizy aloha dia mankatoa
Mankatoa ny Ray aman-dreny
Mora anarina raha voateny

Hametraka hevitra

Midira aloha