You are here: home > Vetso

FITOHANAN'NY FIARA - Rasamindrakotroka Andry Tiana

FITOHANAN'NY FIARA

Isaky ny mivoaka isanandro, na hiantsena na hiasa.
Na maraina io, na  antoandro, na eny koa ny hariva.
Na ho an'ny misotro ronono, na ireo amperinasa.
Ny fitohanan'ny fiara io, olana foana mandrakariva.

Miakatra tsy mitsahatra, ny solika fampiasa lany.
Ny fiara koa mora simba, lasa "première" lava izao.
Any anaty fitohanana, mifampiantso mifanontany ;
Inona no misy ao ? Tara ny fodiana, na fidirana birao

Tampotampoka eo, misy fiara tsy hita hoe avy aiza ?
Mandefa anjomara, jiro, manavatsava, sy misongona.
Ny mpisava lalana, manositosika, toa zaza ratsy taiza ;
Arahan'ny fiara hafa, miraikitra ao aoriana toa kongona.

Ny olona rehetra anie, samy maika amin'ny fiainana avy.
Fa samy miaritra sy mihafy, amin'izay zava-misy eo.
Ka tokony hifampitsinjo sy hifanaja, toy ny mpianakavy.
Fa tsy hanao fihetsika manafintohina, ary koa mankaleo.

Eo no azo hitarafana, ny fomba nitaizana ny tsirairay.
Mba nobeazina hanaja ny hafa ve? Sy efa vory saina ?
Ka mahay mitondra tena, sa mbola fihetsika bemiray,
Sa manambonimbony tena, sy lehibe tsy aman-tsaina.

Eo vao tsapa hoe ahoana, maninona no misy foana ?
Tsy misy vaha-olana ny fitohanana, eny rehetra eny.
Hay ny vahoaka ihany, no miaina io mandava-taona.
Fa ny sefo be na ny sefo kely, tsy voakasik'izy ireny.

Rehefa dinihina sy jerena ny mahatonga ny fitohanana ;
Dia ny fiara maro, tsy manaja ny lalàn'ny fifamoivoizana.
Mijanona manao fanahiniana, ka manery sy mibahana.
Be ny azo ambara ny amin'io, fa aleo tsy ho tohizana.

Manampy trotraka, ny mpivarotra amin'ny sisin-dalana.
Tsy azo alamina, mafy loha, tsy manaiky fandaminana.
Ka manohy ny gaboraraka, matetika, na koa mahalana.
Rehefa toroana na koa tenenina, dia manao dika vilana.

Ny mpandeha antongotra, tsy misy intsony lalana aleha.
Mandeha tsy misy tahotra, sady miresaka no mihomehy.
Misonanina, miadana, tsy rototra eny afovoan'ny arabe.
Ny sarety, ny rambaramba,  efa ela moa no tsy voafehy.

Raha miezaka mandamina, mijery, ny tompon'andraikitra ;
Ka mandroso vaha-olana, mba tsy hisian'ny fitohanana.
Mitsangana ireo fahavalony, manaratsy toa hanaikitra.
Izy ireo anefa raha dinihina, tsy manana akory ala-olana.

Ny mpanao politika, sy ny haino aman-jery, koa no olana ;
Tsy mitsahatra ny mamporisika, ary koa mamendrofendro.
Adino tanteraka ilay manabe, na ny mandroso vaha-olana.
Tsy mihaino, tsy mandinika tsara, lasa mandray an-tendro.

Raha jerena, dia tsy misy afa-tsy ny fanabeazana ihany ;
Ifandrombonan'ny rehetra, izay efa mahatsiaro tena.
Ny fanajana ny lalàna, na ho an'ny ambony na ny ambany.
Ary samy hiezaka ny tena, hampandrosoana ny Firenena.

RASAMINNDRAKOTROKA  Andry
04 Marsa 2018

Hevitra mandeha

s19andry5851 (05/03/2018 06:12:54)

Tsindrio ANKAFIHIZO raha ankafihizinao !

Hametraka hevitra

Midira aloha