You are here: home > Vetso

HONO HOY AHO RY MADAGASIKARA ? - Rasamindrakotroka Andry Tiana

HONO HOY AHO RY MADAGASIKARA ?

Hono hoy aho, ry Nosy Madagasikara,
Fanontaniana iray ity, apetraka aminao ;
Fa maninona loatra re, no lasa toy izao,
Ny fihodiny, sy ny fizotran'ny tantara ?

Izaho koa aza, mba gaga, ary koa talanjona ;
Satria, raha ny zava-misy tokoa no jerena,
Tena ananako daholo rehefa mety ho harena.
Ananako ny vina, ananako koa ny tanjona.

Jereo sy diniho, tany aloha rehetra tany ;
Iza no tsy nahalala izany hoe Madagasikara.
Firenena tena kanto, ary koa tena tsara ;
Sy maha-te honina, tsy misy ohatra izany.

Ny ataon'ny Gasy ihany, no mahatonga izao.
Tena niova, nivadika, fa tsy ohatra ny taloha.
Be ny mpanao kolikoly, sy ny tsy mivaky loha,
Ao koa ny mirediredy, sy ny manao be lazao.

Raha jerena ianao, toa mahavariana ihany ;
Tombanana madio, jerena anefa toa maloto.
Ny làlana ao aminao ratsy, mampitotototo ;
Ary ny lazanao koa, toa  ratsy maneran-tany.

Aza manome tsiny re ianao, fa tsy fidiny ahy,
Ny  manjo ahy izao, satria ny hany faniriako,
Dia ho Nosy mandroso, izany no ho fifaliako.
Ary ho modely eran-tany, satria koa tena sahy.

Raha dinihina tokoa ianao, dia Nosy tena tsara.
Fa misy olona ao aminao, manompo an-dravola ;
Mpanao trafika volamena, sy safira ary bolabola.
Ka ny mampalahelo, dia tena be no mamarara.

Ny harena ao amiko, tsy ho anareo irery ihany.
Fa mila tsinjovina koa, ny taranaka any aoriana.
Ka tsy tokony hisy mihitsy, ireo mpanohariana ;
Fa raha tsy izany, dia tena ho loza aman-tany.

Andao ary re hiaraka, sy hifandamina isika.
Madagasikara hanome ny Gasy, ireo harena ;
Ny Gasy hikajy tsara, am-pitiavana tsy terena.
Dia fahombiazana no hita, ary tsy misy tomika.

Amin'izay angamba, mba tena handroso tsara ;
Ilay firenena be harena, no tia an'Andriamanitra.
Ary ny mponina ao aminy, mba hankafy ny lanitra ;
Satria raha tsy izany,  dia ho tsarain'ny tantara.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
23 Janoary 2018

Hametraka hevitra

Midira aloha